Ranaivoson Andrianome no namorona ny endriky ny sainam-pirenena tamin'ny 1958.Manamarika ny maha izy azy ara-kolontsain'ny firenena ny saina. Ny endriky ny sainam-pirenena Malagasy sy ny dikany: ny fotsy mitsangana, ny mena mitsivalana eo ambony,ny maitso kosa mitsivalana eo ambany. Ny loko mena dia mariky ny fiandrianana, loko nolovaina tamin'ny Mpanjaka nifandimby ary,mitory ny firaisam-pirenena taty aoriana.Ny loko fotsy kosa dia mariky ny fahadiovana, filaminanana, lokon'ireo salohim-bary rehefa miaka-bokatra satria manamarika ny maha malagasy ny vary. Ny loko maitso indray dia lokon'ny fanantenana, manamarika ny hamaitson'ny nosy. Voamarina fa maneho ny endrin-javaboahary misy eto Madagasikara ireo loko telo ireo.Manome lanja manokana ny tanindrazana iombonana ny fananganan-tsaina saina , ary indrindra manasongadina ny fiandrianana mitaha amin'ny firenen-kafa.Mariky ny fiandrianam- pirenena ny sainam-pirenena. "Ny fitiavan-tanindrazana mitarika fandrosoana"