Hoy ny hafatry ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina, nandritra ny Antsampiderana, tao amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina, omaly :"Mahereza, ary samia isika hotahian’Andriamanitra daholo hiara-hankalaza ny fetim-pirenena amin-kafaliana eo ambany fiahian'Andriamanitra sy Jesosy Kristy Tompo.Rehefa madio fo, rehefa madio saina ny tsirairay avy dia minoa ianareo ahy fa tsy hisy sarotra izany izay tsy ho vitantsika.Amin'ny fiainantsika rehetra dia ady foana ny fiainana, na eo anivon'ny tokantrano na amin'ny fiainan'ny tsirairay aza. Ary tsapako fa tsy mora ny iainan'ny tsirairay avy, ny iainan'ny vahoaka Malagasy. Ary ny ady iraisantsika dia voalohany indrindra, ady aram-panahy."#Malagasy #iray