Mitohy any aminโny faritra Menabe ny fanomanana ny fandraisana tsy ho ela intsony ny ๐๐ข๐ฃ๐ฆ๐ด๐ฐ๐ฏโ๐ฏ๐บ ๐๐ฎ๐ฑ๐ข๐ฏ๐ซ๐ข๐ฌ๐ข ๐๐ฐ๐ฆ๐ณ๐ข ๐ด๐บ ๐ช๐ณ๐ฆ๐ฐ ๐ฎ๐ช๐ข๐ณ๐ข๐ฎ๐ช๐ญ๐ข ๐๐ข๐ฌ๐ข๐ญ๐ข๐ท๐ข ๐ณ๐ฐ๐ข๐ญ๐ข๐ฉ๐บ izay mbola tehirizinโny mozea frantsay any Paris.
Any Morondava ny delegasionโny minisitera tarihinโny Minisitra Mara Donna nanomboka omaly manohy ny fifampiresahana aminโireo olom-boafidy, manam-pahefana eny ifotony ary ny fianakaviambenโny Sakalavanโi Menabe anatinโizay fiomanana izay.
Efa nampita sahady ny fisaorana ny Filoha Andry Rajoelina taminโny alalanโireo olom-boafidiny ny vahoakanโi Menabe, noho ny haitarika nananany taminโireo asa rehetra izay natao manodidina izao fampodiana ny Kabesonโny Ampanjaka Toera sy ireo miaramila Sakalava roalahy izao.