Actualités > FESTIVAL AMORON'I MANIART

FESTIVAL AMORON'I MANIART


Tontosa omaly ny famaranana ny festival AMORON'I MANIART andiany faharoa.
Hetsika ara-kolontsaina antanan-dehibe. Nandritra ny 5 andro no nantanterahana izany ny 26 Febroary hatramin'ny omaly 02 Marsa 2025.
Hetsika maro no nanamarika izany toy ny atrik'asa mikasika ny dihy, carnaval namakivaky ny tanànan'Ambositra, fifaninana dihy.
Nandray anjara tamin'ity hetsika ity ny mpandihy avy any amin'ny Faritra Vakinakaratra, Mahatsiatra Ambony ary ny mpampiatrano Amoron' i Mania.
Hetsika izay nahafahana nifantina ireo hisolotena an'ny Faritra amin'ny fiadiana ny tompondakan'i Madagasikara izay hatao ao Antananarivo, hifantenana izay handray anjara amin'ny fifaninana iraisam-pirenena izay hatao any Maurice amin'ity taona ity.
Sokajy maro no nandray anjara.
Ity hetsika ity dia teo ambany fiahian'ny Foibem-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Amoron' i Mania.
Nandray sy nampiampatrano izao ity hetsika ity ny Alliance Française Ambositra .
Notohan'ny Yas Ambositra
Niaraka tamin'ny Fédération Malagasy Dance Hip Hop
Serasera sy Kolontsaina vatofototry ny fampandrosoana

FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
FESTIVAL AMORON'I MANIART
Publie le 07/03/2025 Par 451512 Categorie: Actualités