Actualitรฉs > FAMPITAM-BAOVAO

FAMPITAM-BAOVAO


F๐š๐ฆ๐ฉ๐š๐ก๐š๐Ÿ๐š๐ง๐ญ๐š๐ซ๐š๐ง๐š ๐š๐ฆ๐ข๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐š๐ง๐ค๐š๐ฉ๐จ๐›๐ž๐ง๐ฒ ๐ง๐ฒ ๐ฆ๐š๐ง๐จ๐๐ข๐๐ข๐ง๐š ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐ข๐ก๐š๐จ๐ง๐š๐ง๐š ๐š๐ง-๐ญ๐š๐ฆ๐ฉ๐จ๐ง๐ฒ ๐Ÿ๐š๐ก๐š ๐Ÿ’๐Ÿ“ ๐งโ€™๐ง๐ฒ ๐’๐€๐ƒ๐‚ ๐š๐ง๐ข๐จ ๐Ÿ๐Ÿ‘ ๐‰๐จ๐ฅ๐š๐ฒ ๐Ÿ๐ŸŽ๐Ÿ๐Ÿ“.Notanterahina androany ny fampahantarana ofisialy ireo fandaharam-potoana sy ny tetiandro mandritra ny fihaonana an-tampony faha 45 nโ€™ny SADC izay hatao eto Madagasikara ny 3 hatramin'ny 18 Aogositra 2025.Ivon'ity fihaonana iraisam-pirenena ity ny fitarihan'ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina ny Vondrona SADC.Nitondra fanazavana manoloana ny mpanao gazety tetsy amin'ny foibe fandrindrana ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny SADC tetsy amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny Minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina MARA Volamiranty Donna, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny RAFARAVAVITAFIKA Rasata ary ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana Ara-tsiansa, CHAMONAH Loulla. Nandritra izany no nampahafantarana sy namelabelarana ny lohahevitry ny fihaonana dia "Promouvoir l'industrialisation, la transformation agricole et la transition รฉnergรฉtique pour une SADC rรฉsiliante " Hisy ihany koa ny kaonferansa iraisam-pirenena lehibe hatao eny anivon'ny Oniversiten'Antananarivo hiarahana amin'ireo manam-pahaizana sy ireo mpikaroka malagasy sy vahiny izay hetsika eo ambany fiahian'ny Filohan'ny Repoblika, Andry RAJOELINA.Sambany eo aminโ€™ny tantaranโ€™i Madagasikara ny hampiantrano io fihaonana an-tampony izay andraisanโ€™ny firenena 16 anjara io ary maro ny tombontsoa hositrahanโ€™ny vahoaka Malagasy aminโ€™izany. Tanjona ny hampahafantarana ny zava-bitanโ€™ny SADC, hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-paritra na amin'ny lafiny fifanakalozana ara-barotra, ny fametrahana fandriampahalemana, fampiroboroboana ny indostria, fanatsarana ny fambolena, ary hanohanana ny fikarohana eny aminโ€™ny anjerimanontolo.

FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
Publie le 24/07/2025 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs