Actualités > FIARAHABAN'NY MINISITERAN' NY SERASER...

FIARAHABAN'NY MINISITERAN' NY SERASERA SY NY KOLONTSAINA AN ' ANDRIAMATOA KEVIN DERIS AMIN' IZAO NAHAVOATENDRY AZY HO TALE VAOVAON' NY TVM IZAO


Ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina dia miarahaba an'Andriamatoa Kevin DERIS amin'izao nahavoatendry azy ho Tale vaovaon'ny TVM izao. Mirary soa ny Tale vaovao hahefa be amin'ny andraikitra izay ho sahaniny, hampamiratra ny fahitalavi-pirenena sy hanatsara hatrany ny tolotra ho an'ny vahoaka Malagasy.Tanora Malagasy tsy zoviana amin'ny maro matihanina amin'ny sehatry ny haino aman-jery sy ny sarimihetsika izy.

Publie le 31/07/2025 Par 451512 Categorie: Actualités