Hazofisaka roa lafy na taolana vazan'omby ampifampikapohina ho solon'ny tehaka mba hanarahana hira no antsoina hoe lamako.Taty aoriana dia feo manokana avy amin'ny felan-tanana roa mitehaka mba hanentanana no anehoana izany. Azo heverina fa tamin'ny andron'ny faha mpanjaka no nipoirany.Ahitana teny hoe ako ao amin'ny lamako izaymidika fiverenan'ny feo nahadona zavatra iray.Ny fifampikasohan'ny tanana roa no mamoaka feo ka miako any amin'ny sofin'izay rehetra mandre izany.Fitenintsika Malagasy ny hoe "lamako tsy mipaka": enti- milaza ny lamako tsy tena ampifampipehina fa atao tahaka ny ambana fotsiny.Natao hanentanana ny lamako.Toy izao no fanao rehefa maneho izany :-Rehefa miteny hoe lamako ny mpiventy dia mitehaka inefatra ny olon-drehetra.-Rehefa miteny hoe avereno kosa izy dia mitehaka impolo ny mpanatrika.-Rehefa miventy hoe atambaro indray ny mpanentana dia mitehaka indray mandeha monja ny olona izay manatrika.Voafaritra ho anisan'ny harembakoka tsy azo tsapain-tanana ny lamako. Manoloana ny fivoarana sy ny fanatontoloana ankehitriny dia mbola manana ny toerana izany ankehitriny satria mbola ampiharan'ny taranaka mifandimby aty aoriana amin'ny fotoan-danonana samihafa.#Ranty #Kolontsaina #Vakoka #Fantatraove