Renirano sy riandrano manana ny mampiavaka azy i Sakaleona. Any amin’ny faritra Vatovavy,no misy azy. Mirefy 178 km eo ho eo ny halavan’ilay renirano, ary mivarina any amin’ny Ranomasimbe Indiana, tsy dia lavitry ny tanànan’i Nosy-Varika. Ny riana Sakaleona antsoina ihany koa hoe Andrevaronina, izay 200 metatra ny haavony, no riandrano avo indrindra eto Madagasikara. Ao anatin’ny valan-javaboary Marolambo no misy azy.Koa na dia toerana sarotra idirana aza dia mahaliana noho ny hakanton'ny voary izay lalovana.Tsy harembakoka voajanahary fotsiny izany fa harembakoka ara-kolontsaina ihany koa.Misy Festival “Sakaleona” tontosaina isan-taona any Nosy Varika, izay mampiombona ny mponina amin’ny alalan’ny kolontsaina, fanatanjahantena, ary fanehoana kanto nentim-paharazana.Manampy amin’ny asa fiveloman’ny mponina ihany koa i Sakaleona amin'ny alalan'ny fitaterana an-dranomamy, jono, fanondrahana lemaka. Ny mpizaha tany sy ny mpikaroka tonga mitsidika izany dia mitondra fidiram-bola amin’ny alalan’ireo mpiseradia, trano fandraisam-bahiny, sy fivarotana asa tanana.Harembakoka lehibe ho antsika i Sakaleona sady manana anjara toerana lehibe amin’ny maha Izy ara-kolontsain' ny mponina Betsimisaraka Atsimo ao Nosy-Varika.#Ranty #Harembakoka #Kolontsaina