Nigadona tao Nosy Varika ny Sabotsy 09 Aogositra 2025, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa MARA Volamiranty Donna.Vahiny nasaina manokana ny mpanao KAIAMBA izay tonga nandray anjara tamin'ny FESTIVAL amin'ny maha hetsika fanandratana ny Kolontsaina azy.Narahina seho an-tsehatra lehibe izany niarahana tamin’ny tarika fanta-daza KAIAMBA, JAOJOBY, DAH MAMA, MENASANGA ary anisany zava-dehibe ihany koa ny fanomezana sehatra ny mpanakanto ety an-toerana.Nentina namaranana ity andro faharoa ity ny fijerevana mivantana ny lalaon’ny BAREA izay isany nanome lokony izao Festival SAKALEONA izao.