Nisy ny fahavitan'ny fotodrafitrasa mamaly ny filan'ny mponina ety ifotony teto Nosy Varika. Nitokana ny Birao Solotenan'ny Fananatany Iraisana (BSFI) eto Nosy Varika sy ny efitrano lehibe natokana ho an'ny fampiroboroboana ny Fizahantany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna amin'ny maha Minisitra mpiahy ny faritra Vatovavy azy, ny Sabotsy 09 Aogositra 2025.