Nomarihina tamin'ny "Carnaval" lehibe notontosaina teto ny Nosy Varika ny tapany voalohany, androany Alahady 10 Aogositra 2025, izay notronin'ireo manam-pahefana notarihin'ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa MARA Volamiranty Donna .Nisy ihany koa ny fanolorana kodiarandroa miisa 23 ho an'ireo mpisehatra amin'ny fahasalamana teo anivon'ny tobim-pahasalamana ifotony, distrika Nosy Varika.Nosantarina tamin'ny fambolen-kazo izay notontosaina tao Ampotsiambo, anisany toerana manan-tantara ara-kolontsaina, ny tapany maraina tamin'ny fotoana.