Ny Talata 26 Aogositra 2025 ho avy izao no hamerenan’ny fanjakana Frantsay ny kabeson’ireo mahery fon’i Madagasikara telo lahy amin’ny fanjakana malagasy dia ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roa lahy niara-niady taminy. 128 taona aty aorian'ny namonoana azy, hiverina eto Madagasikara indray ny kabesony sy ireo mpitari-tafika roa lahy niaraka taminy.Izany dia famerenana ny voninahitra sy ny hasina, fandresen’ny fahatsiarovana manoloana ny fanadinoana ny fanatanterahina izany. Ao anatin’ny voninahitra fara-tampony no andraisana azy ireo eto Madagasikara manomboka eto Antananarivo renivohitra ka hatrany amin’ny toerana hanakambanana azy amin’ny taolam-balony any Menabe.Fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny 06 Novambra 2020 nandritra ny fitokanana ny Rovan’i Madagasikara ny tsy maintsy hamerenana azy io, niasa ho amin’izany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina niady sy nifandresy lahatra tamin’ny fanjakana frantsay. Ary ny delegasiona tarihin-dRamatoa Minisitra MARA Volamiranty Donna no hamita ny iraka ao anatin'izany asa masina sy sarobidy ho an'ny tantaram-pirenena izany.Mpanjaka matsilo, mpitari-tafika nikoizana sy natahorana, nitondra ny ady niaraka tamin’ny tafikany i Toera, niatrika ny basy aman-tafondron’ireo tafika frantsay. Ny fanoherana notaritin'i Toera no isan’ireo afo farany nanakana ny fakàna tanteraka an’i Madagasikara ny taona 1897, taorian’ny nandefasan’ny mpanjanaka sesitany ny Mpanjaka Ranavalona III sy ny Praiminisitra Rainilaiarivony ary namonoan’izy ireo ireo mpikomy Menalamba maro be. Noho izay no nanomanan’i Jly Gallieni sy ny Komandà Gérard fanafihana mahatsiravina sy famonoana feno habibiana tanteraka tao amin’ny tanànan’Ambiky. Ny alin’ny Sabotsy 29 Aogositra 1897 hifoha Alahady 30 Aogositra 1897 no novonoin’ny tafiky ny mpanjanaka ny Ampanjaka Toera sy ny miaramilany ary ny vahoaka niaraka taminy. Satria efa akaiky misasakalina no nanomboka ny fanafihana dia vinavinain’ny tantara fa ny Alahady 30 Aogositra 1897 no lavo ny mpanjaka Toera.Taorian’ny fahafatesany, nozimbazimbaina ny vatany, nataon’ireo mpanjanaka amboaran’ny fandreseny. Nalaina ny karandohany ary nentina tany Frantsa. Nandritra ny zato taona mahery, nipetraka ho tahirin’ny tranom-bakoka izy io, toa zavatra tsy nisy aina fony fahavelony, natao ho fitaovana fikarohana fotsiny.