Actualités > KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA

KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA


TAFAVERINA AMIN'NY FOMBA OFISIALY AMIN'I MADAGASIKARA anio Talata 26 Aogositra 2025 ny kabeson’ireo mahery fon’i Madagasikara telo lahy dia ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roalahy niara-niady taminy. Fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina ny 06 Novambra 2020 nandritra ny fitokanana ny Rovan’i Madagasikara ny tsy maintsy hamerenana azy, niasa ho amin’izany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ka nanao ady sisika sy nifandresy lahatra tamin’ny fanjakana frantsay.Mitarika ny delegasiona malagasy any an-toerana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa MARA Volamiranty Donna miaraka amin'ireo solontenan'ireo fianakavian'ny Ampanjaka sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.Ao anatin’ny voninahitra fara-tampony no andraisana azy ireo eto Madagasikara manomboka ao Antananarivo renivohitra ka hatrany amin’ny toerana hanakambanana azy amin’ny taolam-balony any Menabe.TAFAVERINA AMIN'NY FOMBA OFISIALY AMIN'I MADAGASIKARA anio Talata 26 Aogositra 2025 ny kabeson’ireo mahery fon’i Madagasikara telo lahy dia ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika roalahy niara-niady taminy. Fampanantenana nataon’ny Filohan’ny Repoblikan'i Madagasikara Andry Rajoelina ny 06 Novambra 2020 nandritra ny fitokanana ny Rovan’i Madagasikara ny tsy maintsy hamerenana azy, niasa ho amin’izany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ka nanao ady sisika sy nifandresy lahatra tamin’ny fanjakana frantsay.Mitarika ny delegasiona malagasy any an-toerana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Ramatoa MARA Volamiranty Donna miaraka amin'ireo solontenan'ireo fianakavian'ny Ampanjaka sy ireo manam-pahefana isan-tsokajiny.Ao anatin’ny voninahitra fara-tampony no andraisana azy ireo eto Madagasikara manomboka ao Antananarivo renivohitra ka hatrany amin’ny toerana hanakambanana azy amin’ny taolam-balony any Menabe.

KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
KABESON’IREO MAHERY FON’I MADAGASIKARA
Publie le 27/08/2025 Par 451512 Categorie: Actualités