Actualités > HODY AN-TANINDRAZANA NY KABESON’IREO...

HODY AN-TANINDRAZANA NY KABESON’IREO MAHERY FON’NY FIRENENA - INDRO NY LALANA HIZORANY


128 taona aty aorian’ny namonoana azy dia higadona eto an-tanindrazana ny kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafiny roa lahy, mahery fon’i Madagasikara, nandà ny fifehezan’ny mpanjanaka, namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana ny taona 1897. Nitondra ny ady niaraka tamin’ny tafiny i Toera, niatrika ny basy aman-tafondron’ny tafika frantsay. Ny 6 Novambra 2020, nandritra ny fitokanana ny Rovan’i Madagasikara, dia nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina tanaty lahateniny ny tsy maintsy hamerenana ireo kabeso ireo.Ho fanomezana voninahitra ireo mahery fo sy ho famerenana ny hasina izay voaroba tamin’izany,  eto Antananarivo renivohitry Madagasikara, dia hisy ny lanonana ara-panjakana sy ara-miaramila manetriketrika eny amin’ny Mausolée Avaratr’Ambohitsaina ny Talata 02 Septambra 2025 maraina, mialohan’ny lanonana maro be fanaterana azy any amin’ny faritra Menabe. Hisy ihany koa ny ny fanomezam-boninahitra sy ny fanomezan-kaja omentsika vahoaka ireo mahery fon’i Madagasikara ireo. Koa entanina isika ho tonga maro hijoro mahitsy am-pahanginana ary hanala satroka eny amin’ny làlana rehetra lalovany. Isika mpitondra fiara, hivoaka ny fiara ary hijoro mahitsy mandritra ny fandalovany : Amin’ireto sary fanehoana telo ireto ny lalan-kizorany - Mialohan’ny lanonam-panjakana- Aorian’ny lanonam-panjakana- Ary ny làlana mizotra mankany Belo

HODY AN-TANINDRAZANA NY KABESON’IREO MAHERY FON’NY FIRENENA - INDRO NY LALANA HIZORANY
HODY AN-TANINDRAZANA NY KABESON’IREO MAHERY FON’NY FIRENENA - INDRO NY LALANA HIZORANY
Publie le 28/08/2025 Par 451512 Categorie: Actualités