Actualités > HIGADONA ETO AN-TANINDRAZANA NY KABES...

HIGADONA ETO AN-TANINDRAZANA NY KABESON' NY AMPANJAKA TOERA SY IREO MPITARI-TAFIKA SAKALAVA NIARA-DIA TAMINY


Higadona eto an-tanindrazana ny kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika Sakalava niara-dia taminy, mahery fon’i Madagasikara, nandà ny fifehezan’ny mpanjanaka, namoy ny ainy ho an’ny tanindrazana. Mari-pamantarana lehibe amin’ny tantara sy ny kolontsaina malagasy izany. Ny herim-po nananany, ny fitiavany tanindrazana, ary ny soatoavina nentim-paharazana navelany, 128 taona aty aorian’ny namonoana azy.Nitondra ny ady niaraka tamin’ny tafiny i Toera, niatrika ny basy aman-tafondron’ny tafika frantsay. Ny 6 Novambra 2020, nandritra ny fitokanana ny Rovan’i Madagasikara, dia nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina  tanaty lahateniny ny tsy maintsy hamerenana ireo kabeso ireo.#Ranty  #Kolontsaina #Toera #Menabe #SoatoavinaMalagasy

Publie le 01/09/2025 Par 451512 Categorie: Actualités