Amin'ny maha singa ara-kolontsaina ny Kabeso dia mitana toerana lehibe eo amin'ny fanomezan- danja ny harembakoka ny famerenana azy amin'ny toerana niaviany. Koa ny ezaka amin'ny fampodiana ny kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika Sakalava niara-dia taminy dia sady fampiroboroboana Kolontsaina no fampitana ny tantara sy ny lanjan'ny harentsaina ho an'ny taranaka mifandimby.Amin'izao fiverenana an-tanindrazana izao dia rariny loatra raha omen'ny fitondram-panjakana haja sy voninahitra izy ireo amin'ny maha mahery fon'i Madagasikara azy.Efa fampanantenana nataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ny 06 Novambra 2020 nandritra ny fitokanana ny Rovan’i Madaagsikara ny tsy maintsy hamerenana ny kabeson'ny Ampanjaka Toera sy ireo mpitari-tafika Sakalava niara-dia taminy.Niasa mivantana tamin’ny fanatontosana izany ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina.