Fizaran- taona itsirian'ny zava-maniry, fotoana mampibaliaka ny masoandro ary heverina fa fisantarana ireo fomba sy fanao tiana hahomby sy ahazoam-bokatra ny Lohataona. Fotoam-piravoravoana ifampizarana ny hafaliana izany.Ny Minisiteran'ny Serasera sy Kolontsaina araka izany dia miahy ireo hetsika rehetra enti-manamarika ny Lohataona: Taom-baovaon'i Madagasikara.Tanjon'ny fotoam-pankalazana ny fampiroboroboana sy fanomezan-danja ny Kolontsaina samihafa isam-paritra."Kolontsaina marolafy, mampirindra ny fiarahamonina " rahateo no lohahevitra iompanan'ny hetsika.Endrika maro no isehoan'ny fanamarihana ny Lohataona Taom-baovaon'i Madagasikara manerana ny Nosy.Ho an'ny eto Antananarivo dia ny 21- 25 septambra no anehoana izany ary iarahana amin'ny Vovonan'ireo mpandala ny Soatoavina malagasy eny amin'ny Rovan'iMadagasikara.Lanonana ofisialy, atrikasa an-tsekoly, fampirantiana, fandefasana horonantsary mikasika ny Soatoavina malagasy, Seho kanto no fomba anasongadinana izany.