Nanandratra avo ny kanto sy masoivohon’ny kolontsaina Malagasy i D-lain sy Denise hoy i Ramatoa Minisitra. Niray fo tamin'izy ireo ny Malagasy rehetra manerana ny nosy satria nandeha nivantana tamin’ny TVM ny fifaninanana iray manontolo ka afaka nanaraka izany ny vahoaka Malagasy manerana an'i Madagasikara."Nahazo traikefa, nizara ny tsara indrindra ianareo. Misaotra sy mankasitraka.Mandroso hatrany isika.Ho ela velona anie ny kolontsaina Malagasy" Hoy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Ramatoa MARA Volamiranty Donna.(Sary indrana)