Notontosaina androany 21 septambra 2025, teny amin'ny Rovan'i Madagasikara ny Lohataona taom-baovaon'i Madagasikara.Nandritra ny fankalazana, dia nisaotra manokana ho an’ny "Communauté Royale de Madagascar" ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, MARA Volamiranty Donna, noho ny fanohanany sy ny fiaraha-miasa tamin’ny tetikasa maro, anisan'izany ny famerenana ny kabeson'ny Ampanjaka TOERA sy ny mpitari-tafika roalahy niara-dia taminy.Niantso ny Ray aman-dreny ireo ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, MARA Volamiranty Donna, hanohy hatrany ny fanandratana ny kolontsaina, ary handray ity Taom-baovao ity ho mariky ny fanombohana vanim-potoana sy fanantenana vaovao.Nampiavaka sy nanamarika ity fankalazana androany ity ny fanolorana ny vakiraokan'ny Alimanaka.