Mitohy any amin’ny faritra Menabe ny fanomanana ny fandraisana tsy ho ela intsony ny 𝘒𝘢𝘣𝘦𝘴𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘈𝘮𝘱𝘢𝘯𝘫𝘢𝘬𝘢 𝘛𝘰𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘮𝘪𝘢𝘳𝘢𝘮𝘪𝘭𝘢 𝘚𝘢𝘬𝘢𝘭𝘢𝘷𝘢 𝘳𝘰𝘢𝘭𝘢𝘩𝘺 izay mbola tehirizin’ny mozea frantsay any Paris.
Any Morondava ny delegasion’ny minisitera tarihin’ny Minisitra Mara Donna nanomboka omaly manohy ny fifampiresahana amin’ireo olom-boafidy, manam-pahefana eny ifotony ary ny fianakaviamben’ny Sakalavan’i Menabe anatin’izay fiomanana izay.
Efa nampita sahady ny fisaorana ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny alalan’ireo olom-boafidiny ny vahoakan’i Menabe, noho ny haitarika nananany tamin’ireo asa rehetra izay natao manodidina izao fampodiana ny Kabeson’ny Ampanjaka Toera sy ireo miaramila Sakalava roalahy izao.