Tafiditra anatin’ny fihainoana ny hetahetan’ireo mpisehatra amin’ny tontolon’ny kanto, amin’ny fanatanterahana sahady ny 𝙛𝙖𝙠𝙖𝙣-𝙠𝙚𝙫𝙞𝙩𝙧𝙖, dia noraisin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina tetsy amin’ny efitrano DOX Anosy ireo solotenan’ny mpanao sarimihetsika malagasy.Fotoana nitondran’ireto farany ny tolo-kevitra avy aminy hoenti-manatsara ny sinema malagasy ary koa hahafaha-manolotra volavolan-dalàna ho fiarovana ity sehatra ity.