Actualités > FAMPITAM-BAOVAO

FAMPITAM-BAOVAO


𝗙𝗮𝗸𝗮𝗻-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary nanasàna ireo mpisehatra manerana ny Nosy.Taorian’ny antso fakan-kevitra nataon’ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina dia tontosa ny 𝗔𝗹𝗮𝗸𝗮𝗺𝗶𝘀𝘆 𝟲 𝗡𝗼𝘃𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮 teo izany ho an’ireo mpisehatra 𝗮𝗻𝘆 𝗮𝗺𝗶𝗻’𝗻𝘆 𝗙𝗮𝗿𝗶𝘁𝗿𝗮 rehetra manerana ny Nosy. Niompana tamin' ny fanitsiana sy fanatsarana ny 𝗹𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮𝗻'𝗻𝘆 𝗵𝗮𝗶𝗻𝗼 𝘃𝗮𝗸𝘆 𝗷𝗲𝗿𝘆 𝘀𝘆 𝗻𝘆 𝗸𝗼𝗹𝗼𝗻𝘁𝘀𝗮𝗶𝗻𝗮 ny lahadinika.Nandray anjara tamin’izany ireo mpanao gazety isa-paritra sy fikambanana mpanao gazety ary ireo firaisamonim-pirenena sy mpisehatra matihanina amin’ny serasera sy ny kolontsaina samihafa. Tamin’ny alalan’ny fivoriana ampitain-davitra notarihin’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina no nanatanterahana izany. Niara-dalana tamin’io fotoana io koa ny fakan-kevitra ho fanatsarana ny 𝘃𝗼𝗹𝗮𝘃𝗼𝗹𝗮𝗻-𝗱𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗺𝗼𝗺𝗯𝗮 𝗻𝘆 𝘇𝗼 𝗵𝗶𝘀𝗶𝘁𝗿𝗮𝗸𝗮 𝘁𝗼𝗿𝗼𝗵𝗮𝘆 ( LAICP)Taorin’io dingana voalohany io dia natao teto an-drenivohitra koa ny 𝗭𝗼𝗺𝗮 𝟳 𝗡𝗼𝘃𝗮𝗺𝗯𝗿𝗮 ny fakan-kevitra ho an’ireo mpisehatra teto 𝗔𝗻𝘁𝗮𝗻𝗮𝗻𝗮𝗿𝗶𝘃𝗼. Nisy ny lamina napetraka araka izany ka notanterahina teo anivon'ny biraon’ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina tetsy Nanisana ny fakan-kevitra momba ny lalànan'ny Serasera amin’ny haino vaky jery.Nisy ny fametrahana 𝗸𝗼𝗺𝗶𝘁𝘆 nianga avy tamin’ireo mpisehatra nandray anjara, izay hiandraikitra ny fanangonan-kevitra sy famakafakana izany. io Komity io no hanohy ny FANANGONANA ireo tolo-kevitra avy amin’ireo mpandray anjara rehetra na avy any amin’ny Faritra na avy ao Antananarivo. Andraitr’io Komity io ihany koa ny FANDRAVONANA ireo tolo-kevitra voaray.𝗗𝗶𝗻𝗴𝗮𝗻𝗮 𝗺𝗮𝗻𝗮𝗿𝗮𝗸𝗮 ny fanoloran’io komity io ato anatin’ity herinandro, ireo 𝘁𝗼𝗹𝗼-𝗸𝗲𝘃𝗶𝘁𝗿𝗮 𝗻𝗮𝗿𝗮𝘃𝗼𝗻𝗮 mba ho hitan’ny besinimaro ary entina hangatahana fankatoavana eo amin’ireo mpisehatra mialoha ny hanolorana azy eo anivon ’ny minisitera mba haroso ho laniana eny anivon’ny Antenimierampirenena roa tonta.Marihina fa mbola mitohy hatrany ny fahazoana manolotra tolo-kevitra ho an’ireo rehetra tsy afaka tonga teny an-toerana.sary nandritra ireo fakan-kevitra isam-paritra sy tao Antananarivo.

FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
FAMPITAM-BAOVAO
Publie le 11/11/2025 Par 451512 Categorie: Actualités