đłđđđđâđ đŽđđđđđđđđđđ[đđđđ-11 đđđđđđđđ 2025]Mifanaraka tanteraka aminâny lalantsainâny Fanavaozana izay mitaky fahitsiana sy mangarahara, dia nanao fanambaram-pananana teny aminâny Fitsarana Avo momba ny LalĂ m-panorenana ireo mpikambana anatinâny Governemantanâny Fanavaozana, izay notarihinâAndriamatoa Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, ny marainanâny 11 novambra 2025.Ankoatra ny fitakianâny lalĂ na velona ny tokony hanaovana izany fanambaram-pananana izany, dia âtsy misy zavatra tokony ho afenina ny mpikambana anatinâny Governemantaâ hoy ny Praiminisitra. Izany tokoa mantsy dia heverina ho isanâny famerenana ny fifampatokisanâny Vahoaka aminâny Fanjakana ; satria mitaky tamberinâandraikitra ny fahefana aminâny endriny rehetra.Nanamafy ny Praiminisitra fa maro ny asa sy hamehana sahanina hanarenana ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka, ka hifandrimbonanâny governemanta izay tarihany ny fampahafantarana azy ireny aminâny Vahoaka Malagasy. Nentaniny arakâizany ny olom-pirenena tsy ankanavaka, tsy hihevitra fa midika tsy fiasana ny fahavitsianâny kabary. Fanovana no notakianâny Vahoaka, ka fanovana aminâny asa no tsy maintsy entinâny mpitondra ; tsy hiverenanâny fomba fanao, nampiditra ny Firenena tanaty kizo lalina tahaka izao.#Fanavaozana #Mahitsy #Mangarahara #MiasaManginađđČ đđđ«đđŹđđ«đ Primature - Lapan'i Mahazoarivo