𝑳𝒂𝒑𝒂𝒏’𝒊 𝑴𝒂𝒉𝒂𝒛𝒐𝒂𝒓𝒊𝒗𝒐[𝑭𝒂𝒉𝒂-11 𝒏𝒐𝒗𝒂𝒎𝒃𝒓𝒂 2025]Mifanaraka tanteraka amin’ny lalantsain’ny Fanavaozana izay mitaky fahitsiana sy mangarahara, dia nanao fanambaram-pananana teny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana ireo mpikambana anatin’ny Governemantan’ny Fanavaozana, izay notarihin’Andriamatoa Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, ny marainan’ny 11 novambra 2025.Ankoatra ny fitakian’ny lalàna velona ny tokony hanaovana izany fanambaram-pananana izany, dia “tsy misy zavatra tokony ho afenina ny mpikambana anatin’ny Governemanta” hoy ny Praiminisitra. Izany tokoa mantsy dia heverina ho isan’ny famerenana ny fifampatokisan’ny Vahoaka amin’ny Fanjakana ; satria mitaky tamberin’andraikitra ny fahefana amin’ny endriny rehetra.Nanamafy ny Praiminisitra fa maro ny asa sy hamehana sahanina hanarenana ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka, ka hifandrimbonan’ny governemanta izay tarihany ny fampahafantarana azy ireny amin’ny Vahoaka Malagasy. Nentaniny arak’izany ny olom-pirenena tsy ankanavaka, tsy hihevitra fa midika tsy fiasana ny fahavitsian’ny kabary. Fanovana no notakian’ny Vahoaka, ka fanovana amin’ny asa no tsy maintsy entin’ny mpitondra ; tsy hiverenan’ny fomba fanao, nampiditra ny Firenena tanaty kizo lalina tahaka izao.#Fanavaozana #Mahitsy #Mangarahara #MiasaMangina𝐍𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 Primature - Lapan'i Mahazoarivo