𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐌𝐀𝐋𝐀𝐋𝐀 𝐅𝐚𝐥𝐲 𝐌𝐚𝐡𝐞𝐟𝐚𝐧𝐢𝐫𝐢𝐧𝐚, 𝑚𝑝𝑎𝑛𝑎𝑜 𝑔𝑎𝑧𝑒𝑡𝑦, izy no 𝐓𝐚𝐥𝐞 𝐉𝐞𝐧𝐞𝐫𝐚𝐥𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 eo anivon’ny Ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina araka ny fanendrena nandritra ny filan-kevitry ny minisitra ny Alarobia teo.Taorian’ny famindram-pitantanana natao androany teo amin’ny Tale Jeneraly teo aloha sy ny tenany, dia mandray ny asany avy hatrany manomboka androany ny Tale Jeneraly 𝐌𝐚𝐡𝐞𝐟𝐚, anarana ahafantaran’ireo mpanao gazety maro azy nandritra izay 20 taona nanaovany asa fanaovan-gazety izay.Ny fianakaviamben’ny minisitera manontolo dia miarahaba sy mirary fahombiazana feno ho an’Andriamatoa Tale Jeneraly.