Actualités > IZAY TIA NY TENIN-DRAZANY TIA NY TANI...

IZAY TIA NY TENIN-DRAZANY TIA NY TANINDRAZANY

Hetsika marolafy manerana ny Faritra maro no hanamarihan’ny FI.MPI.MA - Fikambanan'ny Mpikabary Malagasy ny faha 62 taona niorenany. Isan’ny nanomana hetsika fankalazàna ny datin’ny 𝟏𝟔 𝐧𝐨𝐯𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 ihany koa ny rantsana 𝐅𝐈.𝐌𝐏𝐈.𝐌𝐀 𝐁𝐨𝐧𝐠𝐨𝐥𝐚𝐯𝐚, izay nikarakara famoahana Andiana Mpikabary matihanina.Andiany 𝘌𝘔𝘉𝘖𝘒𝘈 no anarana isaloran’ireto 𝗠𝗽𝗶𝗸𝗮𝗯𝗮𝗿𝘆 17 mianadahy navoaka tamin’ny fomba ofisialy sy 𝘯𝘰𝘴𝘢𝘭𝘰𝘳𝘢𝘯-𝘥𝘢𝘮𝘣𝘢 tao Tsiroanomandidy omaly ireto.Tohanan’ny 𝘮𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘮𝘱𝘪𝘢𝘩𝘺 ireo mpisehatra eo amin’ny tontolon’ny kolontsaina manao ezaka toy izao hoy ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ao Bongolava ONJASOA Tantely Almondia, izay hanentanana hatrany ireo mpisehatra tsy an-kanavaka mba 𝐡𝐚𝐦𝐩𝐢𝐫𝐨𝐛𝐨𝐫𝐨𝐛𝐨 hatrany ny 𝐤𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 𝐦𝐚𝐥𝐚𝐠𝐚𝐬𝐲. Naneho ny fankasitrahany ny minisitera noho ny fiaraha-miasa matotra ny Filohan’ny FI.MPI.MA Sampana Bongolava RAHAJARIZAFY Jocelyn Marius.FIkambanan'ny MPIkabary MAlagasyFaritany FI.MPI.MA AntananarivoSampana BongolavaFI.MPI.MA Foibe 16 𝑛𝑜𝑣𝑎𝑚𝑏𝑟𝑎 1963 -16 𝑛𝑜𝑣𝑎𝑚𝑏𝑟𝑎 2025

IZAY TIA NY TENIN-DRAZANY TIA NY TANINDRAZANY
IZAY TIA NY TENIN-DRAZANY TIA NY TANINDRAZANY
IZAY TIA NY TENIN-DRAZANY TIA NY TANINDRAZANY
IZAY TIA NY TENIN-DRAZANY TIA NY TANINDRAZANY
IZAY TIA NY TENIN-DRAZANY TIA NY TANINDRAZANY
IZAY TIA NY TENIN-DRAZANY TIA NY TANINDRAZANY
IZAY TIA NY TENIN-DRAZANY TIA NY TANINDRAZANY
IZAY TIA NY TENIN-DRAZANY TIA NY TANINDRAZANY
Publie le 17/11/2025 Par 451512 Categorie: Actualités