Actualitรฉs > FABIENNE ANDOMALALA : NITONDRA AVO NY...

FABIENNE ANDOMALALA : NITONDRA AVO NY ANARAN'NY TVM.


Nandrombaka ny amboara "Meilleur reportage Science TV" tamin'ny fifaninanana nokarakarain'ny AUBโ€“UAR (fivondronan'ireo fahitalavi-pirenena aty Afrika) ny TVM tamin'ny alalan'i ๐…๐š๐›๐ข๐ž๐ง๐ง๐ž ๐€๐๐ƒ๐Ž๐Œ๐€๐‹๐€๐‹๐€ . I Fabienne izay mpanao gazety sady mpanatontosa fandaharana eto amin'ny TVM , nahafantarana azy ny fandaharana TOLOTRA SY TINADY. Horonantsary fanadihadiana 20 minitra mitondra ny lohateny hoe "Madagascar, lโ€™รฎle rรฉservoir des plantes mรฉdicinales et aromatiquesโ€ no nentiny tamin'ny fifaninana ka nahazoany io amboara io. Fanadihadiana maneho fa manan-karena i Madagasikara raha ireo karazan-java-maniry entina hitsaboana misy eto amintsika. Izy io izay nanomboka niroborobo nandritra ny ady tamin'ny valanaretina COVID-19.Azonao jerena ato anatin'ity rohy ity ny horonantsry fanadihadiana manontolo: https://youtu.be/sIXuLunQVpA?feature=shared

Publie le 28/11/2025 Par 451512 Categorie: Actualitรฉs