Actualités > NOMEM-BONINAHITRA NY HAREMBAKOKA MIKA...

NOMEM-BONINAHITRA NY HAREMBAKOKA MIKASIKA NY SARIMIHETSIKA SY HAINO AMAN-JERY

Notsiahivina tetsy amin’ny Biraon’ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧’𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 Anosy ny maha zava-dehibe ny fikajiana ireo 𝙃𝙖𝙧𝙚𝙢𝙗𝙖𝙠𝙤𝙠𝙖 𝙢𝙞𝙠𝙖𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙣𝙮 𝙨𝙖𝙧𝙞𝙢𝙞𝙝𝙚𝙩𝙨𝙞𝙠𝙖 𝙨𝙮 𝙝𝙖𝙞𝙣𝙤 𝙖𝙢𝙖𝙣-𝙟𝙚𝙧𝙮 nandritra ity andron’ny 4 Desambra nosafidiana ho fanamarihana ny fankalàzana ny 𝑨𝒏𝒅𝒓𝒐 𝒎𝒂𝒏𝒆𝒓𝒂𝒏-𝒕𝒂𝒏𝒚 𝒎𝒐𝒎𝒃𝒂 𝒏𝒚 𝑯𝒂𝒓𝒆𝒎𝒃𝒂𝒌𝒐𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝒉𝒂𝒊𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒂𝒏-𝒋𝒆𝒓𝒚 niarahana tamin’ny 𝐔𝐍𝐄𝐒𝐂𝐎.Ny Sekretera Jeneraly 𝑹𝑨𝑺𝑶𝑳𝑶𝑭𝑶𝑨𝑹𝑰𝑱𝑨𝑶𝑵𝑨 𝑴𝒊𝒂𝒓𝒚 no nisolo-tena ny 𝗠𝗶𝗻𝗶𝘀𝗶𝘁𝗲𝗿𝗮 mpiahy ny Kolontsaina nandritra ity lanonana fanamarihana natao androany ity, raha ny Filohan’́y Komitim-pirenena 𝑨𝑵𝑫𝑹𝑰𝑨𝑴𝑰𝑯𝑨𝑴𝑰𝑵𝑨 𝑺𝒂𝒉𝒐𝒏𝒅𝒓𝒂 𝑺𝒚𝒍𝒗𝒊𝒆 sy ny tompon’andraikitry ny fandaharanasa momba ny serasera 𝑹𝑨𝑱𝑨𝑶𝑵𝑨𝑹𝑰𝑽𝑬𝑳𝑶 𝑯𝒂𝒔𝒊𝒏𝒊𝒂𝒊𝒏𝒂 no nitarika ny delegasiona avy amin’ny 𝙐𝙉𝙀𝙎𝘾𝙊.Ankoatra ny lanonana ho fanamarihana ofisialy dia nisy ihany koa ny fandefasana 𝙝𝙤𝙧𝙤𝙣𝙖𝙣-𝙩𝙨𝙖𝙧𝙮 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙙𝙞𝙝𝙖𝙙𝙞𝙖𝙣𝙖, miampy valandresaka narahana adihevitra mahakasika ny 𝒇𝒊𝒌𝒂𝒋𝒊𝒂𝒏𝒂 𝒊𝒓𝒆𝒐 𝒉𝒂𝒓𝒆𝒎𝒃𝒂𝒌𝒐 𝒎𝒊𝒌𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒔𝒂𝒓𝒊𝒎𝒊𝒉𝒆𝒕𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒔𝒚 𝒉𝒂𝒊𝒏𝒐 𝒂𝒎𝒂𝒏-𝒋𝒆𝒓𝒚, izay nandraisan’ireo 𝐦𝐩𝐢𝐬𝐞𝐡𝐚𝐭𝐫𝐚 𝐦𝐚𝐭𝐢𝐡𝐚𝐧𝐢𝐧𝐚 anjara tahaka an’i Rabakoliarifetra Vero, izay mpanatontosa sarimihetsika, eo koa i Laza izay mpamokatra sy mpanatontosa sarimihetsika sady Tale mpamorona ny 𝑓𝑒𝑠𝑡𝑖𝑣𝑎𝑙 𝑀𝑎𝑑𝑎𝑔𝑎𝑠𝑐𝑜𝑢𝑟𝑡, teo ihany koa Anatole Ramaroson, mpamolavola sinema sy Tale artistikan’ny 𝑓𝑒𝑠𝑡𝑖𝑣𝑎𝑙 𝐴𝑛𝑡𝑠’𝐴𝑟𝑡 𝐷𝑜𝑐, ary i Lova Randriambololonirina, mpanatontosa sarimihetsika sady mpamorona ny rafitra matihanina momba ny fitsirihana sarimihetsika.Ny tolakandro dia hisy ny fitsidihana hiarahan’ny avy ao anivon’ny UNESCO sy ireo tanora mpianatra ao amin’ny foiben’ny Televiziona malagasy TVM mba hahafahan’ireto farany mahafantatra ny tontolon’ny haino aman-jery.Ny Minisitera, amin’ny maha rafi-panjakana azy, dia manome lanja sy mamporisika ireo mpisehatra samihafa eo amin’ny tontolon’ny sarimihetsika sy haino aman-jery. ary koa manohana hatrany ireo talenta vaovao, ny fahaiza-manaon’ireo tanora sy mpanakanto, ary manohana ireo fikarohana maro mampiroborobo io sehatra io.

Publie le 04/12/2025 Par 451512 Categorie: Actualités