Nifamotoana tetsy amin’ny Kianjan’ny Hiragasy Ampefiloha ireo mpankafy nanombokoka tamin’ny 10ora maraina tamin’ity 𝐀𝐥𝐚𝐡𝐚𝐝𝐲 𝟎𝟕 𝐃𝐞𝐬𝐚𝐦𝐛𝐫𝐚 𝟐𝟎𝟐𝟓 ity namaly ny antson’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, izay nanolotra ady 𝙃𝙞𝙧𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 goavana nihaonan’ny Tarika fanta-daza roa tonta. Nanokatra ny seho ny Tarika 𝙍𝙖𝙣𝙤𝙚𝙡𝙞𝙨𝙤𝙣 avy ao 𝘼𝙢𝙥𝙖𝙝𝙞𝙢𝙖𝙣𝙜𝙖 izay tsy zoviana amin’ny mpankafy efa an-taonany maro, ary ny Tarika 𝙍𝙖𝙠𝙤𝙩𝙤𝙢𝙖𝙡𝙖𝙡𝙖 𝙍𝙚𝙣𝙚́ avy ao 𝘼𝙣𝙞𝙫𝙤𝙧𝙖𝙣𝙤 no namaraka ny tapany faharoa.Tonga nankafy 𝙃𝙞𝙧𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 niaraka tamin’ny besinimaro tany an-toerana ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina GASCAR Fenosoa ́niaraka tamin’ny mpiara-miasa maro nanome voninahitra ity 𝒌𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 mampiavaka antsika eto Madagasikara ity.Tao anatin’ity hetsika HIRAGASY GOAVAMBE ity, no nanoloran’ny minisitera Mari-boninahitry zavakanto 𝐶𝑜𝑚𝑚𝑎𝑛𝑑𝑒𝑢𝑟 𝑑𝑒 𝑙’𝑜𝑟𝑑𝑟𝑒 𝑑𝑒𝑠 𝑎𝑟𝑡𝑠 𝑒𝑡 𝑑𝑒 𝑙𝑎 𝐶𝑢𝑙𝑡𝑢𝑟𝑒 ho an’i 𝐑𝐚𝐧𝐨𝐞𝐥𝐢𝐬𝐨𝐧 izay natolotry ny Minisitra mpiahy ny kolontsaina.Ho tohizan’ny minisitera hatrany ny fanolorana hetsika momba ny 𝙃𝙞𝙧𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 toy izao hoy ny Tale Jeneralin’ny OFNAC Madagascar RAVONJIARIVELO Tojolalaina, izay tompon’andraikitry ny fikarakarana ny hetsika natao androany.