Miavaka maneran-tany ny 𝑲𝒐𝒍𝒐𝒏𝒕𝒔𝒂𝒊𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 izay singa mampitombo ny mahaizy azy an’i Madagasikara sy hahafantaran’izao tontolo izao azy.Ankehitriny dia voasoratra eo anivon’ny UNESCO ho isan’ny HAREMBAKOKA TSY AZO TSAPAIN-TANANA HO AN’NY ZANAK’OLOMBELONA ny 𝙏𝙎𝘼𝙋𝙄𝙆𝙔, gadona mozika malagasy avy any amin’ny faritra Atsimo Andrefana.Fantatra izany nandritra ny fivoriana faha 20 nataon’ny Komity iraisan’ireo governemanta natao androany 10 Desambra 2025.