Fifaninana teatra nandraisan'ireo mpianatra avy amin'ny sekoly manodidina an'Antananarivo anjara no nentina nankalazana izany andriany tetsy amin'ny Ivokolo Analakely.
Tropy 11 no nandray anjara ka ny 4 aminizy ireo no tafiakatra nanao ny dingana famaranana androany. Lohahevitra tamin’ny fifaninana ny ady amin’ny kolikoly, ady amin’ny herisetra atao amin’ny ankizy sy ny vehivavy ary ny ady atao amin’ny doro tanety sy ny doro ala.
Nandrombaka ny laharana voalohany tamin'izany fifaninana teatra izany ny tropy avy amin'ny"Educ Plus théâtre" Izay nahazo lelavola 1 tapitrisa ariary, ny mpianatra avy amin'ny lisea J J Rabearivelo no nahazo ny faharoa ary ny fahatelo kosa ny avy amin'ny CEG Andramasina.
Akoatra ny lelavola dia mahazo fitsidihana ny rovan'Ambohimanga maimaim-poana ny mpandray anjara rehetra.
"Mahavelombolo fa na dia eo aza ny tsy fanampiana fotodrafitr'asa ho an'ireo mpiantsehitra amin'ny teatra dia maro ny Tanora liana sy misehatra amin'izany", hoy ny Sekretera Jeneralin'ny Minisiteran'ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra ny lahateniny. Vonona hifanome tanana mba hampisondrotra ny talentan’ireo tanora ao anatin’izany ny Minisitera hoy hatrany ny sekretera jeneralin’ny minisitera.