Actualités > FANOLORANA BOKY HO AN' NY TRANOBOKIM-...

FANOLORANA BOKY HO AN' NY TRANOBOKIM-PIRENENA ETO MADAGASIKARA


Tonga teto amin'ny Tranombokim-pirenena Anosy androany 7 janoary 2026, Andriamatoa Thierry SINDA, mpampianatra mpikaroka momba ny taranja haisoratra sy ny siantsa maha olona, mpanao gazety, poeta ary mpitsikera sarimihetsika ao amin’ny gazety Alina, manana fahaizana manokana amin’ny resaka “Négritude”, nanolotra  boky nosoratany sy nanaovany teny fampidirana ary novokariny. Ireto avy ny boky natolony:- “Anthologie des poèmes d’amour des Afriques et d’ailleurs”, édition Orphie : Boky iangonana   tononkalom-pitiavana nosoratana manoratra avy amin'ny firenena afrikanina mampiasa sy miteny ny teny frantsay.  Ny manoratra malagasy Jacques RABEMANANJARA miaraka amin’ny sora‑tanany “Néo‑négritude, les nouveaux chevaliers de la poésie du monde noir” no anisany nanao ny teny fampidirana. Misy koa ireo poeta malagasy hafa toa an'i Flavien RANAIVO, F.-X. MAHAH, Fredy JAOFERA, Francine RANAIVO ary ANTSIVA, izay manolotra tononkalo maneho ny fahasamihafan’ny fomba fiteny ankehitriny momba ny fitiavana sy ny kolontsaina afrikanina ary ny diaspora.- “Mémoires et Révoltes au féminin, Cinq lauréates du Grand Prix Martial Sinda de la poésie francophone”, Anthologie de recueils: Mpanoratra: Yonban LADOUCE, Naelle NANDA, Sarah SAMBIN, Marie Annick M’NEMOSYME, Valiha RAKOTONIRAINY. Teny fampidirana: nosoratan’i Thierry SINDA, miaraka amin’ny lohateny “Comme les Amazones vont boire à la source d’ébène”. Éditions Unicité. Boky izay mankalaza ireo poeta vehivavy mampiasa sy miteny ny teny frantsay, mampiseho ny “fahatsiarovana sy ny fihetsiketsehana nataon’izy ireo”, izay nahazoany ny Grand Prix Martial Sinda.- “Les Olympes noirs” d’Henri Moucle, navoakan’ny edisiona TSM. Boky manentana sy mampirisika ny mpamaky handinika ny fifandraisan’ny fanatanjahantena, ny tononkalo ary ny zon’ny olom-pirenena, ary hahafantarana ny tantara mahafinaritra momba ireo atleta mainty izay nandray anjara tamin’ny Lalao Olimpika. Ny teny fampidirana dia nosoratan’i Thierry SINDA, izay mamakafaka sy manasongadina ny hevitra momba ny maha zava‑dehibe ny lafiny politika sy sosialy amin'ny fandraisana anjaran'ny atleta mainty eo amin’ny tantaran’ny fanatanjahantena sy ny fiarahamonina. Ireto boky ireto dia natao ho an’ny mpianatra amin’ny literatiora frantsay, ireo tia tononkalo, ary izay rehetra liana amin’ny kolontsaina afrikanina ankehitriny.  Azo jerena sy vakina aty amin'ny Tranombokim-pirenena izy ireo manomboka amin'ity taona ity.

FANOLORANA BOKY HO AN' NY TRANOBOKIM-PIRENENA ETO MADAGASIKARA
Publie le 08/01/2026 Par 451512 Categorie: Actualités