Tamin’ny anaran’ny vahoaka malagasy no niarahaban’ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝑮𝑨𝑺𝑪𝑨𝑹 𝑭𝒆𝒏𝒐𝒔𝒐𝒂 an’ny mpanakanto malagasy 𝘿𝙚𝙣𝙞𝙨𝙚 izay avy nandrombaka ny amboara laharana voalohany nandritra ny fifaninanan-kira ho an’ireo mpanakanto afrikana. Manan-danja amin’ny minisitera ny 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙣𝙙𝙧𝙖𝙩𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙯𝙖𝙫𝙖𝙠𝙖𝙣𝙩𝙤 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 toy izao ka tsy niandry ela fa vao nigadona teto an-tanindrazana i 𝘿𝙚𝙣𝙞𝙨𝙚 ny atoandron’ny Talata 13 janoary dia noraisin’ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢 avy hatrany tetsy amin’ny birao fiasany etsy Anosy niaraka tamin’ ireo mpiara-miasa aminy ho fanomezan-kaja ity mpanakanto manana ny maha izy azy maneran-tany ity.Noraisin’ny minisitera ho zava-dehibe loatra ny vokatra toy izao eo amin’ny lafin’ny 𝒛𝒂𝒗𝒂𝒌𝒂𝒏𝒕𝒐 𝒎𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 𝒔𝒚 𝒏𝒚 𝒎𝒐𝒛𝒊𝒌𝒂 ka 𝒎𝒆𝒏𝒅𝒓𝒊𝒌𝒂 𝒂𝒏𝒌𝒂𝒔𝒊𝒕𝒓𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 ny ezaka ataon’ny 𝙢𝙥𝙖𝙣𝙖𝙠𝙖𝙣𝙩𝙤 𝙢𝙖𝙡𝙖𝙜𝙖𝙨𝙮 manandratra avo ny voninahim-pirenena hoy ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘢.Nisaotra ny fanohanana nataon’ny minisitera mpiahy i 𝘿𝙚𝙣𝙞𝙨𝙚 satria nanome tanana tamin’ny fahafahana nandray anjara tamin’ity 𝘧𝘪𝘧𝘢𝘯𝘪𝘯𝘢𝘯𝘢 𝘪𝘳𝘢𝘪𝘴𝘢𝘮-𝘱𝘪𝘳𝘦𝘯𝘦𝘯𝘢 ity ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ary nankasitrahany manokana koa ireo mpankafy sy mpiray tanindrazana izay nanampy betsaka azy tamin’ny fanohanana sy fifidianana nanoloana ireo artista mpifaninana an’arivony nandray anhara.