Actualités > AMORON'I MANIA

AMORON'I MANIA


Nankalazaina manerana an’i Madagasikara ny ANDROM-PIRENENA HO AN’NY KABARY, ary isan’izany ny tao 𝐀𝐌𝐎𝐑𝐎𝐍'𝐈 𝐌𝐀𝐍𝐈𝐀Niompana tamin'ny lohahevitry ny fankalazana navoakan'ny 𝐌𝐢𝐧𝐢𝐬𝐢𝐭𝐞𝐫𝐚𝐧'𝐧𝐲 𝐒𝐞𝐫𝐚𝐬𝐞𝐫𝐚 𝐬𝐲 𝐧𝐲 𝐊𝐨𝐥𝐨𝐧𝐭𝐬𝐚𝐢𝐧𝐚 ny fanamarihana ny 𝗔𝗻𝗱𝗿𝗼𝗺-𝗽𝗶𝗿𝗲𝗻𝗲𝗻𝗮 𝗵𝗼 𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗞𝗮𝗯𝗮𝗿𝘆 𝗺𝗮𝗹𝗮𝗴𝗮𝘀𝘆 izay marihana isaky ny 𝟏𝟓 𝐣𝐚𝐧𝐨𝐚𝐫𝐲 ho an'ny tao amin'ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy Kolontsaina Amoron'i Mania izay natao tao 𝗙𝗮𝗻𝗱𝗿𝗶𝗮𝗻𝗮 𝘀𝘆 𝗠𝗶𝗹𝗮𝗺𝗮𝗶𝗻𝗮.Niara-nisalahy tamin'ny fanamarihana izany ny Delegasiona ny Serasera sy ny Kolontsaina Fandriana niaraka tamin'ny Fikambanana MANDA MPIKABARY FISAKÀNA 𝐅𝐚𝐦𝐞𝐥𝐚𝐛𝐞𝐫𝐚𝐧-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 sy fanazavàna niompana tamin'ny kabary sy ny lohahevitra fankalazana mikasika ny kabary maoderina sy kabary ara-pivavahana notanterahina tao Milamaina.𝐕𝐞𝐥𝐚-𝐤𝐞𝐯𝐢𝐭𝐫𝐚 sy fanentanana momba ny kabary natao tamin'ireo mpianatra tao amin'ny Sekoly Saint Gabriel Milamaina.𝐅𝐢𝐭𝐬𝐚𝐩𝐚𝐦-𝐩𝐚𝐡𝐚𝐢𝐳𝐚𝐧𝐚 natao tamin'ireo mpianatra ho Mpikabary taona voalohany sy mpandalina ao amin'ny Fikambanan'ny MANDA MPIKABARY FISAKÀNA tao amin'ny Lisea Beapombo Fandriana. Ireo no nentina nanamarika ity andro lehibe ho an’ny Kabary ity tao Amoron'i Mania.

AMORON'I MANIA
AMORON'I MANIA
AMORON'I MANIA
AMORON'I MANIA
AMORON'I MANIA
AMORON'I MANIA
AMORON'I MANIA
AMORON'I MANIA
AMORON'I MANIA
AMORON'I MANIA
Publie le 19/01/2026 Par 451512 Categorie: Actualités