Nifanakalo hevitra tamin’ireo solotenan’ny mpanao gazety sy mpahay lalàna ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝑮𝑨𝑺𝑪𝑨𝑹 𝑭𝒆𝒏𝒐𝒔𝒐𝒂, notronin’ny 𝘚𝘦𝘬𝘳𝘦𝘵𝘦𝘳𝘢 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘺 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘛𝘢𝘭𝘦 𝘑𝘦𝘯𝘦𝘳𝘢𝘭𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢, nanohy ny fandinihana ny fakan-kevitra izay nijerena ireo andinin-dalàna hafa mety mbola 𝙖𝙝𝙞𝙖𝙣𝙖 𝙝𝙖𝙣𝙤𝙝𝙞𝙣𝙩𝙤𝙝𝙞𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙡𝙖𝙡𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 toy ny 𝒇𝒆𝒉𝒆𝒛𝒂𝒏-𝒅𝒂𝒍𝒂̀𝒏𝒂 𝒇𝒂𝒎𝒂𝒊𝒛𝒂𝒏𝒂, 𝒅𝒊𝒅𝒚 𝒉𝒊𝒕𝒔𝒊𝒗𝒐𝒍𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒌𝒂𝒔𝒊𝒌𝒂 𝒏𝒚 𝒇𝒂𝒉𝒂𝒇𝒂𝒉𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒊𝒗𝒐𝒓𝒚 sns. Nampahafantarin’ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 tamin’ny fomba ofisialy nandritra io fihaonana io fa omena sehatra bebe kokoa ny mpanao gazety hitarika ny 𝙛𝙖𝙣𝙤𝙝𝙞𝙯𝙖𝙣𝙖 ny fankan-kevitra ho fanatsarana 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙡𝙖̀𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙛𝙚𝙝𝙮 𝙣𝙮 𝙨𝙚𝙧𝙖𝙨𝙚𝙧𝙖, ka tsy hijanona eto Antananarivo ihany fa hitety faritra ny asa hataon’io komity avy amin’ny mpanao gazety io.Fihaonana natao tetsy amin’ny efitrano DOX, Anosy ny zoma 16 janoary 2026 teo, izay niavaka ihany koa noho ny fisian’ny fiaraha-miasa amin’ny mpahay lalàna tarihin’ny Mpisolovava 𝑹𝑨𝑭𝑰𝑫𝑰𝑺𝑶𝑵 𝑬𝒓𝒊𝒄 izay hisahana manokana ny fanangonana sy fijerena ireo lalàna samihafa. Hisy araka izany ny fiaraha-miasa bebe kokoa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana.Raha tsiahivina dia, nanao antso tamin’ireo mpanao gazety tsy an-kanavaka ny Minisitera ny faraparan’ny taona 2025 teo mba ho 𝙛𝙖𝙣𝙖𝙫𝙖𝙤𝙯𝙖𝙣𝙖 𝙣𝙮 𝙡𝙖𝙡𝙖̀𝙣𝙖 𝙢𝙞𝙛𝙚𝙝𝙮 𝙣𝙮 𝙨𝙚𝙧𝙖𝙨𝙚𝙧𝙖 misy, ka namaly izany antso izany ny mpanao gazety sy ny fikambanana isan-karazany, ary ńitohy tamin’ny fametrahana ny komity manokana misolo-tena ireo mpanao gazety.Efa voapetraka rahateo ny rijan-teny mikasika ny fanovana ny lalàna mifehy ny serasera ka hirosoana ny fandinihana ny fampiharana azy.Isan’ny nodinihina koa ny hametrahana ny didim-panjakana mametraka 𝘯𝘺 𝘧𝘢𝘩𝘦𝘧𝘢𝘯𝘢 𝘮𝘢𝘯𝘥𝘳𝘪𝘯𝘥𝘳𝘢 𝘯𝘺 𝘵𝘰𝘯𝘵𝘰𝘭𝘰𝘯’𝘯𝘺 𝘴𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘩𝘢𝘪𝘯𝘰 𝘷𝘢𝘬𝘺 𝘫𝘦𝘳𝘺 na 𝐴𝑢𝑡𝑜𝑟𝑖𝑡𝑒́ 𝑛𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛𝑎𝑙𝑒 𝑑𝑒 𝑟𝑒́𝑔𝑢𝑙𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑑𝑒 𝑙𝑎 𝑐𝑜𝑚𝑚𝑢𝑛𝑖𝑐𝑎𝑡𝑖𝑜𝑛 𝑚𝑒́𝑑𝑖𝑎𝑡𝑖𝑠𝑒́𝑒 (𝐴𝑁𝑅𝐶𝑀), ary hojerena ny lalàna entina miaro ny tontolon’ny 𝐟𝐚𝐦𝐩𝐢𝐭𝐚𝐦-𝐛𝐚𝐨𝐯𝐚𝐨 𝐚𝐦𝐢𝐧’𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐚𝐦𝐛𝐚𝐧𝐚 𝐢𝐬𝐚𝐧-𝐤𝐚𝐫𝐚𝐳𝐚𝐧𝐲 𝐞𝐧𝐭𝐢𝐧’𝐧𝐲 𝐭𝐞𝐤𝐢𝐧𝐨𝐥𝐨𝐣𝐢𝐚 sy amin’ireo andinin-dalàna ivelan’ny lalàna mifehy ny serasera ka mbola manohintohina ny fanehoan-kevitra ary 𝐢𝐫𝐞𝐨 𝐚𝐬𝐚 𝐦𝐚𝐫𝐨 𝐧𝐢𝐟𝐨𝐫𝐨𝐧𝐚 𝐭𝐚𝐭𝐲 𝐚𝐨𝐫𝐢𝐚𝐧𝐚 izay azo lazaina fa mbola marefo dia marefo, ahitana ireo mpanao serasera an-habaka, mpampaneno lakolosy, sns (𝑐𝑟𝑒́𝑎𝑡𝑒𝑢𝑟 𝑑𝑒 𝑐𝑜𝑛𝑡𝑒𝑛𝑢, 𝑖𝑛𝑓𝑙𝑢𝑒𝑛𝑐𝑒𝑢𝑟, 𝑙𝑎𝑛𝑐𝑒𝑢𝑟 𝑑’𝑎𝑙𝑒𝑟𝑡𝑒).Ny tanjona dia ho 𝙛𝙖𝙝𝙖𝙡𝙖𝙡𝙖𝙝𝙖𝙣𝙖 𝙢𝙖𝙣𝙚𝙝𝙤 𝙝𝙚𝙫𝙞𝙩𝙧𝙖 tena izy fa tsy sarintsariny no misy eto amintsika manomboka amin’izao 𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘯 ́𝘯𝘺 𝘍𝘢𝘯𝘢𝘷𝘢𝘰𝘻𝘢𝘯𝘢 izao. Na nisy aza ny fanovana napetraka tamin’ny taona 2020 dia tsy nahafa-po tanteraka satria mbola tazana tao ihany ny finiavana hifehy ny asa fanaovan-gazety ka niteraka ireny fifandirana matetika teo amin’ny mpanao gazety sy ny mpitondra teo aloha ireny.𝗡𝘆 𝗹𝗮𝗹𝗮̀𝗻𝗮 𝗺𝗶𝗳𝗲𝗵𝘆 𝗻𝘆 𝘀𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮 dia tsy natao ho sakantsakana amin’ny fahalalahana fa 𝗻𝗮𝘁𝗮𝗼 𝗵𝗶𝗮𝗿𝗼𝘃𝗮𝗻𝗮 𝗻𝘆 𝗳𝗮𝗵𝗮𝗹𝗮𝗹𝗮𝗵𝗮𝗻𝗮. Avahana tsara ny fahalalahana sy ny baranahiny na ny gaboraraka, ka esorina avokoa ireo hirika mety hitarika any amin’ny famehipehezana ny asa fanaovan-gazety ataon’ny mpitondra sy mpitantana fanjakana. Fa teboka telo aloha no nodinihina maika sy nitondrana fanitsiana, araka ny hevitra azo nandritra ny fakan-kevitra natao avy any amin’ny faritra rehetra :Ny 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐭𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚 ireo 𝐚𝐧𝐝𝐢𝐧𝐢𝐧-𝐝𝐚𝐥𝐚̀𝐧𝐚 heverina fa manohintohina ny fahalalahana maneho hevitra, manakantsakana ny zo hahalala ary maneho sakana amin’ny asa fanaovan-gazety.Ny 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐭𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐚𝐳𝐚𝐯𝐚𝐧𝐚 bebe kokoa ny asan’ny sy ny firafitry ny 𝐀𝐍𝐑𝐂𝐌 na ny fahefana mandrindra ny tontolon’ny serasera sy ny haino vaky jeryNy 𝐟𝐚𝐧𝐢𝐭𝐬𝐢𝐚𝐧𝐚 𝐬𝐲 𝐟𝐚𝐧𝐨𝐯𝐚𝐧𝐚 ny rafitry ny 𝐇𝐨𝐥𝐚𝐟𝐢𝐭𝐫𝐲 𝐧𝐲 𝐦𝐩𝐚𝐧𝐚𝐨 𝐠𝐚𝐳𝐞𝐭𝐲 izay tena navesatra dia navesatra.Nanamafy ny 𝘔𝘪𝘯𝘪𝘴𝘪𝘵𝘳𝘺 𝘯𝘺 𝘚𝘦𝘳𝘢𝘴𝘦𝘳𝘢 𝘴𝘺 𝘯𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 fa mbola mitohy ny fifanankalozan-kevitra mandrapaha hahazoana volavolan-dalàna haroso eny anivon’ny Antenimiera, ka tanjona ny hananana lalàna eken’ny mpisehatra rehetra sy tsy miteraka fifandirana.