Actualités > NY 29 Marsa 2025

NY 29 Marsa 2025


Fanamarihana ny fahatsiarova ny tolom-pahafahana tamin´ny 1947.

Feno 78 taona katroka androany no nisian’ny tolom-panafahana , izay ady nataon’ireo Malagasy mahery fo nanavotana ny firenena tamin’ny fanjanahana nataon'ny Frantsay. Isan-taona dia mahatsiaro ireo maherifo lavo tamin'ny io Tolom-panafahana 1947 io isika eto Madagasikara ka nisy lanonana ofisialy notarihin'ny Filoha Andry Nirina Rajoelina teny Mausolée sy tany Moramanga androany.
‎Tarakevitra nosafidiana tamin'ity taona ity ny hoe "Tolom-panafahana, fanilo miampita ho an’ny taranaka".

‎Nandritra ny lahateniny dia nanasongadina ny Filoha Andry Rajoelina fa ny fitiavan-tanindrazana no fototry ny fandrosoana. izany dia mifototra amin'ny firaisankina sy fiaraha-mientana. "Madagasikara tsy maintsy mandroso. " io no ambetitenin'ny Filoham-pirenena nandritra ny fametrahana fehezam-boninkazo ka nandrehetana indray ny afon'ny fitiavan-tanindrazana teny Mausolée io maraina io,

‎ "Tsy hijanona amin’ny fahatsiarovana fotsiny isika, fa handray andraikitra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.
‎Mitohy amin'ny endrika hafa ny ady ho amin'ny fahaleovantena hoy ny Filoha . Ny ezaka ataontsika rehetra dia miompana amin’ny fanatrarana fahaleovantena feno: ara-tsakafo, ara-toekarena ary amin’ny fampivoarana ny fiainan’ny vahoaka Malagasy. Hoy hatrany izy.

Moramanga : Notokanana androany ny akany hikarakarana zokiolona.

‎Taorian'ny teny Mausolée dia nihazo an'Moramanga ny Filoha ka taorian'ny ny fametrahana fehezam-boninkazo teo amin'ny tsangambaton'ny maherifo dia nitokana tamin'ny fomba ofisialy ny akany Fiadanantsoa Moramanga ny Filoham-pirenena. Ity akany ity dia natokana handraisana an-tanana ireo zokiolona mihoatra ny 65 taona. Misy araka izany ny fiaraha-miasa eo amin'ny minisiteran'ny Foloalindahy sy ny minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka amin'ny fampiodinana ity akany ity.

‎Maro ny fandidiana sy fitsaboana atao ao amin'ity akany Fiadanantsoa araka ny fanazavana nentin'ny filoha ary maimaimpoana avokoa izany ho an'ireo zokiolona, toa ny fandidiana "cataracte", fitsaboana maso fa indrindra ny fanomezana solomaso maimaimpoana.

‎Ahitana efitra 37 ity akany ity ka ny 20 amin'ireo dia natokana ho an'ireo mpiady tia tanindrazana, izay misy farafara 6 avy isaky ny efitra.
‎Dokotera niofana manokana amin'ny fitaizana zokiolona no miasa ao an-toerana.

‎Tafiditra amin'ny andry telo lehibe izay hiompanan'ny politikam-pampandrosoanan' i Madagasikara izao fanangonana fotodrafitr'asa toy izao dia ny fijerena ny maha olona.

NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
NY 29 Marsa 2025
Publie le 01/04/2025 Par 451512 Categorie: Actualités