Fantaro ny hevitr’ireo loko fampitandremana fampiasa amin’ny rivodoza sy ireo fepetra tokony arahina? Asaina ianao hamaky hatramin’ny farany ary zarao amin’ny manodidina anao hahafan’ny tsirairay miomana.FILAZANA MILOKO MAITSO NO FILAZANA FANAIRANA 2 hatramin’ny 5 andro mialohan’ny hahatongavan’ny rivodozaTsy miandriaka intsonyMioty sy mitahiry ny voly mba tsy ho simbaHamafisina ny tranoManao fantsona manakaiky ny trano mba hisorohana ny tondra-drano anaty tanànaMampilaza ny tompon’andraikitra raha mahita hazo mety hitera-dozaTehirizina amin’ny toerana azo antoka ny antontan-taratasy sy ny fanafodyManaraka tsy tapaka ny vaovao momba ny RIVODOZAMifampizara vaovao indrindra amin'ireo tsy mahazo izany sy ireo marefoFILAZANA MILOKO MAVO NO LOZA MANAMBANA 1 na 2 andro mialohan’ny hahatongavan’ny rivodoza Hakarina an-tanety ny lakana sy ny baka Manomana tahirin-tsakafo maharitra andro vitsivitsy Manangona vatoharatra sy labozian-Jiro fanao am-paosy Afindra amin'ny toerana azo antoka ny biby fiompy (akoho,gisa,saka,alika...) Manara-maso ny zaza sy ny tanora Vokisana ny vatoharatra Mifampilaza ny isan-tokantrano amin'ny fandaharam-potoana rehetra Mamonjy toerana efa voaomana raha tsy azo antoka ny fonenana(EPP, CEG,Lycée, Fiangonana) Manaraka tsy tapaka ny fivoaran’ny andro ratsy Mifampizara vaovao indrindra amin'ireo tsy mahazo izany sy ireo marefoFILAZANA MILOKO MENA NO LOZA MITATAO Efa mihatra amin’ny toerana naharay azy ny lozaToniana ny sainaMipetraka amin’ny toerana azo antokaTsy mivoaka ny trano intsonyTapahana ny herinaratra, hamafisina ny hidin’ny varavarana, ny fantsin-drano ary ny fizaran-jiroMitandrina amin’ny mety ho fahatonian’ny andro tampoka fa hiverina hiharatsy izany avy eoManaraka tsy tapaka ny vaovao momba ny rivodoza.Mifampizara vaovao indrindra amin'ireo tsy mahazo izany sy ireo marefoFILAZANA MILOKO MANGA NO FILAZANA FAHAMAILONA Efa lasa ny rivodozaMalina hatranyManaraka ny fivoaran’ny toetry ny androTandremana ny fahadiovan’ny sakafo sy ny ranoMitandrina amin’ny rano miandrona mety hiteraka aretinaMailo amin’ny tariby mitondra herinaratra izay tapaka eny an-dalambeMifanampy amin’ny fanarenana ny simba isikaMifampizara vaovao indrindra amin'ireo tsy mahazo izany sy ireo marefoSource: Météo Madagascar TVM