Lanonana famaranana ny hetsika festival Film Madagascar, ISSM Awards 2024
Nomarihina tamin’ny fanolorana amboara ho an’ireo mpifaninana omaly 30 marsa ny famaranana ny fifaninanana sarimihetsika Malagasy andiany voalohany, izay nokarakarain'ny Ministeran'ny Serasera sy ny Kolontsaina.
Nohamafisin’i Ramatoa minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Mara Volamiranty Donna nandritra ny lahateny izay nataony ny fampiroboroboana ny sarimihetsika malagasy amin’ny fanohizana ny hetsika Festival Film Madagasikara isan-taona.
Marihina fa sambany teo amin’ny tantaran'ny sarimihetsika Malagasy ny hetsika toy izao kanefa dia nahafa-po tanteraka ny vokatra azo.