𝗩𝗔𝗥𝗬 𝟳𝟭 𝗧𝗔𝗢𝗡𝗜𝗡𝗔 : 𝗡𝗔𝗧𝗢𝗟𝗢𝗧𝗥𝗬 𝗡𝗬 𝗙𝗜𝗧𝗢𝗡𝗗𝗥𝗔𝗠-𝗣𝗔𝗡𝗝𝗔𝗞𝗔𝗡 𝗛𝗢 𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔𝗧𝗥𝗔 𝟭𝟰.𝟭𝟴𝟮 𝗜𝗦𝗔 𝗜𝗩𝗘𝗟𝗔𝗡’𝗡𝗬 𝗖𝗔𝗠𝗣𝗨𝗦 𝗔𝗩𝗬 𝗔𝗠𝗜𝗡’𝗡𝗬 𝗙𝗔𝗥𝗜𝗧𝗥𝗔 𝟮𝟰𝘊.𝘖 -𝘛𝘰𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢, 𝘧𝘢𝘩𝘢-23 𝘧𝘦𝘣𝘳𝘰𝘢𝘳𝘺 2026Mpianatra ivelan’ny Campus miisa 14.182 avy amin’ny Faritra 24 no nisitraka vary milanja 71 taonina natolotry ny fitondram-panjakana, teto amin’ny Campus Universitaire Toamasina. Fanampiana natao hanalefahana ny fahasahiranana mianjady amin’ireo mpianatra tsy mipetraka eny anivon’ny campus izao notanterahina izao.Nifandrimbona nanolotra izany ny Talen’ny Kabinetra sivily eo anivon’ny Primatiora izay misolotena ny Praiminisitra aty an-toerana, ny Filoha Lefitry ny Antenimieram-pirenena eto Toamasina, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Prefen’i Toamasina, sy ny Lehiben’ny Faritra Atsinanana ary ny Talen’ny BNGRC. Nohamafisina nandritra ny fotoana nahavory ny rehetra fa mihaino sy manakaiky ny vahoaka hatrany ny fitondram-panjakana, ary tsy ekena ny fampiasana ny fahasahiranan’ny mpianatra ho fitaovana pôlitika. Nozaraina imasoimaso avy hatrany ny vary, ka ireo fikambanan’ny mpianatra tsirairay no niandraikitra ny fitsinjarana, hisorohana ny fitarainana sy hanamafisana ny mangarahara.Ankoatra izany, efa ao anatin’ny laharampahamehana sy hohafainganin’ny fitondram-panjakana ny fanatsarana ny Oniversiten’i Toamasina, na eo amin’ny fotodrafitrasa sy trano fonenana, na eo amin’ny kalitaon’ny fampianarana, hiantohana hoavy maharitra sy mahomby ho an’ireo mpianatra.𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗖.𝗢