𝗗𝗜𝗣𝗟𝗔𝗢𝗠𝗔𝗦𝗜𝗔 : 𝗡𝗔𝗡𝗔𝗧𝗜𝗧𝗥𝗔 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗠𝗣𝗜𝗔𝗡𝗔 𝗧𝗘𝗧𝗢 𝗧𝗢𝗔𝗠𝗔𝗦𝗜𝗡𝗔 𝗡𝗬 𝗩𝗢𝗡𝗗𝗥𝗢𝗡𝗔 𝗘𝗢𝗥𝗢𝗣𝗘𝗔𝗡𝗔𝘊.𝘖 -𝘛𝘰𝘢𝘮𝘢𝘴𝘪𝘯𝘢, 𝘧𝘢𝘩𝘢-24 𝘧𝘦𝘣𝘳𝘰𝘢𝘳𝘺 2026Ho valin’ny antso iraisampirenena nataon’ny Fitondram-panjakana, tarihin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, Kôlônely Randrianirina Michaël, sy ny Governemanta tarihin’ny Praiminisitra Herintsalama Rajaonarivelo, dia mitohy ny fahatongavan’ireo fanampiana avy amin’ireo mpiara-miombon’antoka avy any ivelany, ho an’ny mponina traboina eto Toamasina. Nitondra ny anjara birikiny ny Vondrona Eoropeana androany tamin’ny alalan’i Frantsa, Alemaina, ary Belzika, ho fanohanana ny ezaka fanampiana sy fanarenana.Fanampiana avy amin’i Alemaina• « Tapis de sol » : 1 280 isa• « Filtres » KR (Katadyn Rapidyn) : 1 000 isa• « Tente familiale » HCR : 500 isa• « Kits de cuisine » : 1 000 isaFanampiana avy amin’i Belzika• Bodofotsy : 2 175 isa• Kidoro : 1 950 isa• Fandriana azo aforitra: 500 isaFanampiana avy amin’i Frantsa• Bodofotsy : 1 000 isa• «Tente familiale » : 204 isa• Pilina fanadiovana rano : 250 000isaNisolo tena ny Fitondram-panjakana teto an-toerana nandray ireo fanampiana ireo ny Talen’ny Kabinetra sivily avy eo anivon’ny Primatiora, sy ny Prefen’i Toamasina ary ireo mpitantana eto amin’ny Ivotoeram-pandrindran’ny BNGRC eto Toamasina.𝗡𝘆 𝗦𝗲𝗿𝗮𝘀𝗲𝗿𝗮𝗻’𝗻𝘆 𝗖.𝗢