Zoky nitari-dalana sy nampianatra mpanao gazety maro i Annick RAHERIMANANA, 𝑴𝒑𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒈𝒂𝒛𝒆𝒕𝒚, fantatra tamin’ny fandaharana tamin’ny Onjam-peo. Isan’ireo mpanao gazety nisitraka fampianarana avy aminy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny.Nitsahatra izy ankehitriny, nandao ilay tontolo tiany, tontolo nandaniany ny androm-piainany nanabe, namakafaka, nanoro, nandalina ny fiainam-pirenena.Very 𝒏𝒂𝒎𝒂𝒏𝒂, nilaozan-joky ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety androany, fa nodimandry i Annick.Tonga nanome voninahitra, niondrika am-panajana nanoloana ny vata-mangatsiakany, eny tonga nampahery ny ankohonany, sy ny fianakaviany manontolo teny amin’ny trano nonenany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady 𝑴𝒑𝒂𝒏𝒂𝒐 𝒈𝒂𝒛𝒆𝒕𝒚, GASCAR Fenosoa, ny hariva teo, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa.Mandria am-piadanana 𝒏𝒂𝒎𝒂𝒏𝒂 Annick.