Zoky nitari-dalana sy nampianatra mpanao gazety maro i Annick RAHERIMANANA, π΄πππππ ππππππ, fantatra taminβny fandaharana taminβny Onjam-peo. Isanβireo mpanao gazety nisitraka fampianarana avy aminy ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny.Nitsahatra izy ankehitriny, nandao ilay tontolo tiany, tontolo nandaniany ny androm-piainany nanabe, namakafaka, nanoro, nandalina ny fiainam-pirenena.Very ππππππ, nilaozan-joky ny tontolonβny asa fanaovan-gazety androany, fa nodimandry i Annick.Tonga nanome voninahitra, niondrika am-panajana nanoloana ny vata-mangatsiakany, eny tonga nampahery ny ankohonany, sy ny fianakaviany manontolo teny aminβny trano nonenany ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, sady π΄πππππ ππππππ, GASCAR Fenosoa, ny hariva teo, niaraka taminβireo mpiara-miasa.Mandria am-piadanana ππππππ Annick.