Mitohy mandritra ny herintaona ny fahazoan'i Madagasikara tombontsoa amin'ny ๐ณ๐ฎ๐บ๐ฝ๐ถ๐ฑ๐ถ๐ฟ๐ฎ๐ป๐ฎ ๐๐ผ๐ธ๐ฎ๐๐ฟ๐ฎ ๐บ๐ฎ๐น๐ฎ๐ด๐ฎ๐๐ ๐๐๐ ๐ฎ๐ป๐ฑ๐ผ๐ฎ๐๐ฎ๐ป๐ฎ ๐ต๐ฎ๐ฏ๐ฎ eo amin'ny ๐๐๐ฒ๐ป๐ฎ ๐ฎ๐บ๐ฒ๐ฟ๐ถ๐ธ๐ฎ๐ป๐ฎ. Fanapahan-kevitra nosoniavinโny Filoham-pirenena amerikana Donald Trump izay mihatra miverina manomboka ny 30 septambra 2025 ka hatraminโny 31 desambra 2026.Ity fanapahan-kevitra ity dia tafiditra ao anatinโny fandinihana lalina ataonโny amerikana mikasika ny hoavinโny fiaraha-miasa ara-barotra aminโny kaontinanta afrikana. Safidy maro no resahina aminโizao fotoana izao, anisanโizany ny fanitsiana ny AGOA na ny fametrahana fifanarahana ara-barotra eo amin'ny lafiny roa tonta (accord bilatรฉral). Ireo lalana ireo dia efa nanaovan'ny Masoivohonโi Madagasikara any Etazonia tarihinโi RAKOTOMALALA Lantosoa ezaka, ary nohamafisina nandritra ny iraka ady sisika natao tany Washington, D.C. ny tapaky ny volana janoary 2026, notarihinโny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana ANDRIAMADISON Haingotiana Michela Angรจle.Ho anโi Madagasikara, ity fanavaozana ity dia manome fahafahana hanomanana sy hanamafy ny paik'ady, ahafahana miatrika mialoha ireo mety ho fivoarana aminโny fiaraha-miasa ara-barotra aminโi Etazonia.Aminโizany, dia hisy ny fifampidinihana eo aminโny sehatra ara-panjakana ato ho ato (dialogue publicโpublic), iarahanโireo andrim-panjakana nasionaly voakasika sy ireo mpiara-miombona antoka ara-panjakana, mba handinihana ireo fepetra mety horaisina hanohanana ireo sehatra voakasika sy hampifanarahana ny fomba fijery aminโny dingana manaraka.