π³ππππ'π π΄ππππππππππ
[ππππ-11 ππππππ 2025]
Naharitra ora dimy ny fihaonana teo aminβny Praiminisitra, Lehibenβny Governemanta Ntsay Christian sy ny delegasiaona izay notarihiny teto Toliara androany taminβireo Raiamandreny, mpanao politika, olom-boafidy, tomponandraikitra ary rantsana rehetra voakasiky ny βBase Toliaraβ. Fifanazavan-dresaka sy fifampizarana izay mety ho tombony ho azo avy amin'ity tetikasa lehibe ity no natao nandritra izany, satria tsapa fa zava-dehibe ny fifampihainoana sy ny dinika atao ao anatinβny hitsim-po hoy ny Praiminisitra, mba hivoahana aminβny tsy fahalalana ny tena zava-misy, ny ahiahy tsy hihavanana, ary ny tsy fitoviam-pijery ka miteraka disadisa eo aminβny samy Malagasy. Fanamby lehibe mantsy hoy izy, ny fanaovana izao dingana hisianβny dinika izao, mba hampanjary avy hatrany ny fampandrosoana aminβny alalanβny fanatanterahana ny vinanβny Filohanβny Repoblika Andry Rajoelina, miompana amin'ny fampiroboroboana ny indostria aty aminβny Faritra Atsimo Andrefana. Nahatsapa ny rehetra fa mangetaheta izany rahateo ny vahoaka, araka ny fanehoan-kevitry ny ankamaroanβireo izay nanatrika ity fihaonana ity, eny fa na dia ireo olona tsy mitovy fijery ara-politika aminβny Fitondram-panjakana aza.
Samy namoaka ny heviny, ny ahiahiny, ary ny fomba fandraisany ny tetikasa βBase Toliaraβ avokoa ireo solontena samihafa nanatrika ny fihaonana. Nifandimby nitondra ny fanazavana nilainβny rehetra ny tomponandraikitra avy ao amin'ny Base Toliara, sy ireo Minisitra voakasiky ny tetikasa mivantana. Samy nahatsapa taorianβizany, fa maro ny fomba samihafa entinβireo olona sasany mamadika tanteraka ny zava-misy, izay miteraka tsy fifankahazoana eo aminβny samy Malagasy sy fironana any aminβny lalan-diso. Rehefa nazava ny resaka, dia mipetraka ankehitriny ny tanjona iombonana, mba hisian'ny firaisankina, ny fifanomezan-tanana ary ny fandraisana andraikitra ka hanombohanβny asa ao anatinβny filaminana sy ny fitoniana. Nambaranβny Praiminisitra fa ny dingana sy sehatra toy izao, dia fanoitra lehibe ho anβny fampandrosoana. Nanao antso avo ny tenany noho izany, mba hisy ny fifanohanana eo aminβny vahoaka sy ny tetikasa Base Toliara, ho fikatsahana hatrany ny tombontsoa iombonana.
π΅π πΊπππππππ
Alatsinainy 2 Martsa 2026