Actualités > INONA NO ATAO HOE FITSIDIHANA ARA-PAN...

INONA NO ATAO HOE FITSIDIHANA ARA-PANJAKANA NA NY "VISITE D' ETAT"


Ny fitsidihana ara-panjakana dia fitsidihana am-boninahitra sy ara-pomba ofisialy izay ataon'ny Filohampirenena anankiray amin'ny firenena iray ho fanamafisana ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa.
Izany dia fanehoana faratampony ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin'ny firenena roa tonta. Ka ahitana lanonana maromaro ara-pomba fifanajana.
Ny fitsidihana ara-panjakana ihany koa no anehoana ny lasa tsy fanadino, ny tantara ary hisian'ny fifanakalozana ara-kolontsaina eo amin'ny firenena roa tonta.
Zava-dehibe eo amin'ny fanafamafisam-piaraha-miasa sy ny tantaram-pirenena ny fitsidihana ara-panjakana hatao eto Madagasikara ary miavaka izany satria eo ankatoky ny fihaonana faratampony eo amin'ireo firenena mpikambana ao amin'ny #COI eo anivon'ny Ranomasimbe Indiana.
5ème Sommet de la Commission de l'Océan Indien - Antananarivo
#MSK #Fantaro

Publie le 17/04/2025 Par 451512 Categorie: Actualités