Nisokatra omaly 16 avrily 2025 ny Herinandro ho an'ny Rano, nisolo-tena ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina nanotrona ny lanonam-panokafana ny Sekretera Jeneralin'ny minisitera, andriamatoa 𝐅𝐞𝐭𝐫𝐚 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐒𝐎𝐀𝐕𝐀.
Mitondra ny anjara birikiny amin'ny fizarana tsy tapaka ny vaovao sy ny fanentanana momba ny fikajiana sy ny fitantanana ny rano ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina. Eo ihany koa ny fanamafisana ny fisian’ny 𝑰𝑽𝑶-𝑻𝑶𝑹𝑶 « 𝑭𝒂𝒏𝒋𝒂𝒌𝒂𝒏𝒂 𝒎𝒂𝒏𝒂𝒌𝒂𝒊𝒌𝒚 𝒗𝒂𝒉𝒐𝒂𝒌𝒂 » izay manampy anao raha toa ka mila torohay na toro-lalana amin’ny fikarakarana taratasy eny anivon’ny sampan-draharaham-panjakana, ary ny fisian’ny ireo boky momba ny rano izay hita ao amin’ny Tranoeva.
#Msk
#IVOTORO_640
#Kolontsaina_ny_Rano
Alatsinainy 2 Martsa 2026