Araka izany, nisy fivoriana niarahana tamin’Andriamatoa Roman Marshavin, Minisitra lefitry ny Ministeran’ny Angovo ao Rosia sy ireo mpiara miasa aminy. Noresahina tamin’izany ny fomba hanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta eo amin’ny sehatry ny herinaratra sy ny angovo. Naneho ny fahavononany hifanampy amin’ny firenena malagasy ny rosiana. Nomarihina manokana ny traikefa ananan’ny firenena rosiana amin’ny fampandrosoana ny foto-drafitrasa enerjetika, eo ihany koa ny fametrahana sy fanatanterahana tetikasa maharitra izay hahafahana mameno ny filàna amin’ny herinaratra.Nanamafy Andriamatoa Siteny Randrianasoloniaiko fa vonona i Madagasikara hanorina fifanakalozan-kevitra sy fiaraha-miasa amin’i Rosia, izay mifototra hatrany amin’ny fifanajana sy ny fikendrena ny tombontsoa iraisana.Antenimierampirenena