ANTENIMIERAMPIRENENA | ANTENIMIERANDOHOLONA Tonga niatrika ny lanonam-panokafana tamin'ny fomba ofisialy ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohany ho an'ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona natao androany 6 may 2025 teny amin'ny Lapa Tsimbazaza sy ny Lapa Anosikely ny Governemanta malagasy notarihin'ny Praiminisitra NTSAY Christian. Fivoriana notarihin' ny Filohan'ny Antenimierampirenena Andriamatoa TOKELY Justin ho an'ny tetsy Tsimbazaza, sy notarihin'ny Filohan'ny Antenimierandoholona Ny Jeneraly RAVALOMANANA Richard ho an'ny tetsy Anosikely.Nanatrika ireo lanonana roa sosona ny Ministry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna.