« Hiara- hientana isika hanamafy orina ny fiarahamonina amin’ny alalan’ny firotsahana an-tsitrapo, hanome ohatra tsara ny mpiara-belona sy hanova ny toetsaina"Niara- nientana nifanome tanana, tamin'ny fanadiovana faobe sy fanarenana ny Parc Tsimbazaza ireo mpirotsaka an-tsitrapo miisa 66 androany Zoma 09 Mey 2025Hetsika notarihin’ny Fitaleavana misahana ny fampiroboroboana ny firotsahana an-tsitrapo sy ny fanentanana eny ifotony eto anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.Maro ny asa natao toy ny fanadiovana ireo toerana fipetrapetrahana, ny tranon’ny biby, lakan-drano, ny lalana.