Tonga niara-nilalao tamin'ireo mpanao gazety sy ny mpiara-miasa eo anivon'ny haino, vaky, jery i Ramatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina MARA Volamiranty Donna, androany.Nambarany tamin'izany fa zava-dehibe eo amin'ny firaisampo sy amin'ny maha iray eny an-kianja ny fianakaviamben'ny haino, vaky, jery, izao hetsika izao.Mihoatra ny 400 isa ny mpandray anjara tamin'ity "Inter Medias 2025" ity. Nampatsiahy i Ramatoa Minisitra ny amin'ny maha asa masina ity tontolo ity. Ary hetsika entina hanamafisana orina ny firaisantsaina eo anivon'ny mpanao gazety sy ny mpiara-miasa matihanina izao.